RCV
Audio:
Drama
  • Drama
  • Non-Drama
Text Size

Osea 6 - Malagasy - Roman Catholic Version - Bible.is - MLGRCV

  1  Andeha isika hiverina amin’ny TOMPO;   2  fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika; mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.   3  Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala ny TOMPO isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.   4  Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.   5  Noho izany nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany, novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.   6  Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.   7  Nivadika ny fanekena, tahaka an’i Adama, anefa izy ireo; fa nivadika tamiko teo.   8  I Galaada dia tanànan’ny mpanao ratsy, sady isehoan’ny mariky ny ra nalatsaka.   9  Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika, ny andia-mpisorona mamono olona, eo amin’ny lalana mankany Sikema; fa mahavita heloka be vava izy ireo.   10  Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely; fa ao no ijangajangan’i Efraima, sy andotoan’i Israely tena.   11  Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao, raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana.