EIV
Audio:
Drama
  • Drama
  • Non-Drama
Text Size

Apôkalipsin’i 8 - Malagasy - Interconfessional Version - Bible.is - MLGEIV

  1  Rehefa novahan'ny Zanakondry ny tombokase fahafito, dia nangina tokony ho antsasak'adiny ny tao an-danitra.   2  Dia hitako ireo anjely fito izay mijoro eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.   3  Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan'ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin'ny vavaka ataon'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra, eo ambonin'ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan'Andriamanitra.   4  Ary ny eton'ny vovo-javamanitra, miaraka amin'ny vavaka ataon'ny vahoakan'Andriamanitra, dia niakatra avy tamin'ny tanan'ilay anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.   5  Ary noraisin'ilay anjely ny lovia fandoroana vovo-javamanitra, nofenoiny vainafo mirehitra avy teo amin'ny alitara ka natsipiny ho eny amin'ny tany: dia nisy kotro-baratra sy kotrokorana aman-tselatra ary horohorontany.   6  Dia niomana hitsoka trompetra ireo anjely fito izay nanana ny trompetra fito.   7  Nitsoka trompetra ilay anjely voalohany, dia nisy havandra sy afo niharo ra nalatsaka tamin'ny tany; ka may ny ampahatelon'ny tany, may ny ampahatelon'ny hazo ary may ny ahi-maitso rehetra.   8  Nitsoka trompetra ilay anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo nazera tany anaty ranomasina ka nanjary mena toy ny ra ny ampahatelon'ny ranomasina;   9  maty ny zava-miaina tao an-dranomasina ary rava ny ampahatelon'ireo sambo.   10  Nitsoka trompetra ilay anjely fahatelo, dia nisy kintana anankiray lehibe, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy tany an-danitra ary nianjera tamin'ny ampahatelon'ireo ony sy tamin'ireo loharano.   11  Ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Ipoizimangidy; ka tonga mangidy sady voapoizina ny ampahatelon'ny rano rehetra, ary maro ny olona maty noho ny fisotroana rano voapoizina.   12  Nitsoka trompetra ilay anjely fahefatra, dia niharan-doza ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ireo kintana rehetra, mba tsy hamiratra intsony mandritra ny ampahatelom-potoana famiratany; ka tsy nisy hazavan'ny masoandro intsony nandritra ny ampahatelon'ny antoandro, ary tsy nisy hazavan'ny volana aman-kintana toy izany koa nandritra ny ampahatelon'ny alina.   13  Dia nahita voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny habakabaka aho ary nahare azy niantso tamin'ny feo mahery hoe: "Loza! Loza! Loza ho an'ireo monina eny ambonin'ny tany noho ny feon'ny trompetra sisa efa hotsofin'ireo anjely telo!"