EIV
Audio:
Drama
  • Drama
  • Non-Drama
Text Size

Matio 1 - Malagasy - Interconfessional Version - Bible.is - MLGEIV

  1  Fitanisana ny razan'i Jesoa Kristy, taranak'i Davida, dia i Davida taranak'i Abrahama.   2  I Abrahama no ray niteraka an'i Itsehàka; i Itsehàka, ray niteraka an'i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an'i Joda mirahalahy avy.   3  I Joda, ray niteraka an'i Peretsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin'izy roa lahy); i Peretsa, ray niteraka an'i Hetsirôna; i Hetsirôna, ray niteraka an'i Arama.   4  I Arama, ray niteraka an'i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an'i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an'i Salmôna.   5  I Salmôna, ray niteraka an'i Bôhaza (ary dia i Rahaba no reniny); i Bôhaza, ray niteraka an'i Hôbeda (ary i Rota no reniny); i Hôbeda, ray niteraka an'i Jisay;   6  i Jisay, ray niteraka an'i Davida mpanjaka. I Davida kosa no ray niteraka an'i Salômôna (ary dia ny vadin'i Orià no reniny);   7  i Salômôna, ray niteraka an'i Rehabohàma; i Rehabohàma, ray niteraka an'i Abià; i Abià, ray niteraka an'i Asà.   8  I Asà, ray niteraka an'i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an'i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an'i Hozià.   9  I Hozià, ray niteraka an'i Jôtama; i Jôtama, ray niteraka an'i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an'i Hezekià.   10  I Hezekià, ray niteraka an'i Manase; i Manase, ray niteraka an'i Amôna; i Amôna, ray niteraka an'i Jôsià.   11  I Jôsià, ray niteraka an'i Jekônià mirahalahy avy. Tamin'izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.   12  Taorian'ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna kosa dia izao: i Jekônià no ray niteraka an'i Sealtièla; i Sealtièla, ray niteraka an'i Zerobabèla.   13  I Zerobabèla, ray niteraka an'i Abihoda; i Abihoda, ray niteraka an'i Eliakîma; i Eliakîma, ray niteraka an'i Azôra.   14  I Azôra, ray niteraka an'i Tsadôka; i Tsadôka, ray niteraka an'i Akima; i Akima, ray niteraka an'i Elihoda.   15  I Elihoda, ray niteraka an'i Elehazara; i Elehazara, ray niteraka an'i Matàna; i Matàna, ray niteraka an'i Jakôba.   16  I Jakôba, ray niteraka an'i Jôsefa vadin'i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an'i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.   17  Koa 14 izany no isan'ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida; 14 koa hatramin'i Davida ka hatramin'ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna ka hatramin'ny Mesia.   18  Toy izao no nahaterahan'i Jesoa Kristy. Efa fofombadin'i Jôsefa i Maria renin'i Jesoa tamin'izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina.   19  Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.   20  Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan' anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy ka nilazany hoe: --Ry Jôsefa taranak'i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao! Noho ny asan'ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.   21  Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin'ny fahotany.   22  Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:   23  "Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela," (izany hoe "miaraka amintsika Andriamanitra")   24  Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian'ilay anjelin'ny Tompo azy, ka nampakatra an'i Maria vadiny.   25  Tsy niray tamin'i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an'i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan'i Jôsefa ny zaza.