Hebrio 2

1Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin'izany isika. 2Nanan-danja tokoa na dia ny hafatra nentin'anjely aza, ary izay rehetra nandika izany na tsy nanaiky izany dia nahazo sazy tandrify avy; 3ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin'ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika. 4Andriamanitra koa dia niara-nijoro ho vavolombelona tamin'ireo nandre ireo ka niantoka izany tamin'ny famantarana sy zava-mahatalanjona ary ny asa mahagaga isan-karazany, mbamin'ireo fanomezan'ny Fanahy Masina izay nozarazarain'Andriamanitra araka ny sitrapony. 5Tsy teo ambany fahefàn'anjely tsy akory no nametrahan'Andriamanitra izao fiainan-ko avy lazainay izao. 6Fa ao amin'ny Soratra Masina ao, dia misy manambara manao hoe: "Inona moa izay olombelona, Andriamanitra ô, no mba tsarovanao? Inona moa izay zanak'olombelona no mba ahînao? 7Nataonao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy izy; dia nosatrohanao voninahitra sy haja; 8ary ny zavatra rehetra napetrakao eo ambany fahefàny sady nataonao eo ambany tongony." Raha voalaza fa "ny zavatra rehetra dia napetrak'Andriamanitra eo ambany fahefàn'ny olombelona", dia tsy nisy zavatra tsy napetrany eo ambany fahefàny. Kanefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika hoe napetraka eo ambany fahefàn'ny olombelona ny zavatra rehetra. 9Izao no hitantsika: natao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy i Jesoa, mba ho faty ho an'ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra; ary satria niaritra ny fahafatesana Izy, dia nosatrohan'Andriamanitra voninahitra sy haja. 10Eny, Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton'ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra; ka rariny raha nataon'Andriamanitra ho tanteraka tamin'ny alalan'ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin'ny famonjena. 11Fa na i Jesoa nanadio ny olombelona ho afaka amin'ny fahotana, na ireo olombelona nodioviny, dia iray fiaviana avokoa. Noho izany, dia tsy menatra i Jesoa miantso azy ireo hoe zandriny, 12fa hoy Izy: "Hanambara Anao amin'ireo zandriko Aho, Andriamanitra ô; eo afovoan'ny Fiangonana no hiderako Anao." 13Izao koa no nataony hoe: "Hatoky an'Andriamanitra Aho." Ary koa hoe: "Indreto Aho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy." 14Koa satria moa olombelona nofo aman-dra ireo zaza, dia tonga olombelona tahaka azy koa i Jesoa. Izany no nataony, dia ny mba handalovany amin'ny fahafatesana ka hahatonga ilay mitana ny herin'ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, tsy hahavita na inona na inona intsony 15ary koa ny mba hanafahany an'izay rehetra voagejan'ny tahotra ny fahafatesana ka nandevozina nandritra ny androm-piainany manontolo. 16Miharihary tokoa fa tsy anjely velively no vonjen'i Jesoa, fa ireo taranak'i Abrahama. 17Koa amin'ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka. 18Fa noho ny tenan'io Mpisorombe io niaritra fijaliana sy nalaim-panahy, dia mahavonjy izay rehetra alaim-panahy koa Izy.

will be added

X\