EIV
Audio:
Drama
  • Drama
  • Non-Drama
Text Size

Asan’ny Apôstôly 17 - Malagasy - Interconfessional Version - Bible.is - MLGEIV

  1  Dia nandalo an'i Amfipôly sy i Apôlônia ry i Paoly sy i Silasy ka tonga tao Tesalônika izay nisy sinagôga anankiray fivavahan'i Jiosy.   2  Nankao amin'ilay sinagôga i Paoly araka ny fanaony. Sabata telo nifanarakaraka no nifanakalozany hevitra momba ny Soratra Masina tamin'ny olona tao;   3  nohazavainy sady nasehony taminy fa, araka ny Soratra Masina, dia tsy maintsy nijaly ny Mesia ary nitsangana velona avy tany amin'ny maty. Ka hoy i Paoly: --Izao Jesoa ambarako aminareo izao no ilay Mesia!   4  Nisy sasantsasany resy lahatra tamin'ireo mpiangona ka niray anjara tamin'i Paoly sy i Silasy. Nanao toy izany koa ny olona marobe tamin'ireo Grika mpanaja an'Andriamanitra, ary tsy vitsy tamin'ireo vehivavy ambony toerana.   5  Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin'ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon'i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan'ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy.   6  Nony tsy hitan-dry zareo izy roa lahy, dia i Jasôna sy ny havana iray finoana vitsivitsy no nosarihiny hanatrika an'ireo lehiben'ny tanàna sady nohorakorahiny hoe: --Nanakorontana ny lafy valon'ny tany izy roa lahy ireny, ary mby eto amintsika ankehitriny   7  ka nampiantranoin'i Jasôna. Mifanohitra amin'ny didin'ny amperôra rômanina anefa ny fihetsik'izy rehetra ireo satria ambarany fa misy mpanjaka hafa koa atao hoe Jesoa.   8  Nampisahotaka ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna izany teny izany;   9  ka nandoa vola hatao antoka ry i Jasôna sy ny namany vao navelan'ireo lehiben'ny tanàna handeha.   10  Nony alina ny andro, dia nasain'ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin'ny sinagôga fivavahan'ny Jiosy.   11  Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin'Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan'andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain'i Paoly.   12  Koa maro tamin'ireo Jiosy no nino; ary, tamin'ireo Grika, dia tsy vitsy ny vehivavy ambony toerana sy ny vadiny no nino.   13  Kanefa nony fantatry ny Jiosy tany Tesalônika fa nitorian'i Paoly ny tenin'Andriamanitra koa tao Berea, dia nankany ry zareo nampitabataba sy nampisahotaka ny vahoaka.   14  Niaraka tamin'izay dia nasain'ny havana iray finoana nankany amoron-dranomasina i Paoly fa i Silasy mbamin'i Timôty kosa no mbola nijanona tao Berea.   15  Ireo nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena. Ary dia niverina tany Berea indray izy ireo nitondra hafatra ho an'i Silasy mbamin'i Timôty; fa niangavian'i Paoly izy roa lahy mba hamonjy azy faran'izay haingana any Atena.   16  Raha mbola niandry an'i Silasy sy i Timôty tao Atena i Paoly, dia niontana ny fony tamin'izy nahita ity tanàna feno sampy.   17  Koa tao amin'ny sinagôga i Paoly no nifanakalo hevitra tamin'ny Jiosy sy ny mpanaja an'Andriamanitra, ary teny an-kianja isan'andro tamin'ny olona sendra teo.   18  Nisy koa filôzôfy epikorianina sy stôisianina nifanakalo hevitra taminy, ka hoy ny sasany hoe: --Inona no tian'ity mpirediredy holazaina? Ny sasany kosa, nony nandre an'i Paoly nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa sy ny fitsanganan'ny maty, dia niteny hoe: --Toa andriamanitra vahiny no torîny!   19  Dia nentin'izy rehetra i Paoly ka notarihiny hankeo amin'ny antenimiera Areôpazy sady nilazany hoe: --Moa azonay fantarina ve izao fampianarana vaovao resahinao izao?   20  Zavatra hafahafa manko izao renay aminao izao, ka tianay ho fantatra izay mety ho hevitr'izany. (   21  Fa ny Atenianina rehetra mbamin'ny vahiny niara-nonina taminy moa dia nandany andro fotsiny hilaza na hihaino izay zava-baovao farany).   22  Dia nijoro teo afovoan'ny Areôpazy i Paoly ka nanao hoe: --Ry Atenianina, hitako fa amin'ny lafin-javatra rehetra dia olona fatra-pivavaka ianareo.   23  Raha nitsangantsangana eran'ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: "Ho an'ilay Andriamanitra tsy fantatra." Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo.   24  Ilay Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra eo aminy no Tompon'ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanan'olombelona.   25  Tsy hoe orin-javatra Andriamanitra ka tompoin'olombelona, satria Izy ihany no manome ny aina sy ny fofon'aina mbamin'ny zavatra rehetra ho an'ny olombelona tsy an-kanavaka.   26  Noarîny avy amin'olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.   27  Nataon'Andriamanitra izany mba hahazoan'ny olombelona mitady Azy, sao izy ireo mba mety maminavina Azy sy mifandray aminy; fa Andriamanitra dia tsy lavitra antsika tsirairay avy,   28  satria "Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika." Izany indrindra koa no nilazan'ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: "Avy amin'Andriamanitra no ipoirantsika."   29  Koa satria avy amin'Andriamanitra no ipoirantsika, dia tsy tokony hoheverintsika fa Andriamanitra dia mitovy endrika amin'ny sampy volamena na volafotsy na vato, sary sokitra vokatry ny fahaizana amam-pisaintsainan'olombelona.   30  Kanefa ninian'Andriamanitra tsy jerena intsony ireo andro tsy nahalalana Azy, fa antsoiny hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra, na aiza na aiza.   31  Nisy manko andro anankiray natao hitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin'ny alalan'ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin'ny maty no nataony porofon'izany ho an'ny olona rehetra!   32  Vao nandre an'i Paoly niteny momba ny fitsanganan'ny maty ireo olona teo amin'ny Areôpazy, dia tao ny naneso azy ary tao kosa ny nilaza hoe: --Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'io zavatra io.   33  Dia toy izany no nandaozan'i Paoly azy ireo.   34  Kanefa nisy olona sasantsasany nikambana taminy ary tonga mpino: anisan'ireny i Diônisy, mambran'ny antenimiera Areôpazy, sy vehivavy atao hoe Damarida ary ny sasany hafa koa izay niaraka tamin'ireo.