2 Kôrintianina 7

1Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin'ny fanajana an'Andriamanitra. 2Mba ataovy omby anay ny fonareo. Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nanimba olona, na nanambaka olona. 3Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany; fa efa voalazako rahateo fa lalainay ao am-ponay ianareo, ka ho tafaraka aminay hatrany na velona na maty. 4Lehibe ny fahatokiako anareo, tena reharehako tokoa ianareo; ka feno fampaherezana aho sady tsy omby tratra ny hafaliako amin'ny fahoriana rehetra manjo anay. 5Na dia tonga tany Masedônia tokoa aza izahay, dia tsy nisy hilaminanay mihitsy, fa nifandafaram-pahoriana izahay: teo ivelany, nisy ady namelezana anay; tao anatinay, nisy tahotra. 6Kanefa Andriamanitra, Izay mampahery ny ory fo, dia nampahery anay tamin'ny nahatongavan'i Tito; 7ary tsy ny nahatongavany ihany no nampahery anay, fa ny fampaherezana azony taminareo koa: notantarainy taminay fa maniry mafy hihaona amiko indray ianareo, sady nitomany noho ny zava-nitranga ary nazoto hanaiky ahy; ka dia vao mainka faly aho. 8Fa na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako, dia tsy anenenako ankehitriny. Nanenenako ihany izany nony hitako fa noseranin'alahelo ianareo. 9Kanefa mifaly aho ankehitriny, tsy noho ny nampalahelovako anareo, fa noho ny alahelonareo nahatonga anareo hiala amin'ny toe-dratsy. Eny, alahelo araka an'Andriamanitra ny anareo, ka tsy nitondra fatiantoka avy aminay ianareo. 10Satria ny alahelo araka an'Andriamanitra dia mahatonga hiala amin'ny toe-dratsy, mba hiroso amin'ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo iza kosa dia mahatonga fahafatesana. 11Jereo tokoa ny vokatr'izany alahelo araka an'Andriamanitra izany teo aminareo: He izato fahazotoana hanova ny toe-javatra! He izato ezaka hanala tsiny ny tenanareo! He izato fahatezerana noho ny zava-nitranga! He izato tahotra ny famaizan'Andriamanitra! He izato faniriana hihaona amiko indray! He izato zotompo hanaiky ahy! He izato finiavana hanafay ny ratsy! Izany rehetra izany no nampisehoanareo fa tsy misy tsininareo mihitsy amin'iny raharaha iny. 12Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nahavita ratsy na noho ilay nasian-dratsy; nanoratra taminareo aho mba hampiharihary aminareo fa eo anatrehan'Andriamanitra dia mazoto hanaiky ahy ianareo. 13Nampahery anay izany fihetsikareo izany. Ankoatra ny fampaherezana azonay, dia vao mainka safononoka ny hafalianay tamin'ny nahitanay fa faly aoka izany i Tito satria namelombelona aina azy ianareo rehetra. 14Eny, nirehareha teo anatrehan'i Tito aho ny aminareo, ary dia tsy nandiso fanantenana ahy tokoa ianareo; fa tahaka ny nilazanay marina taminareo ny zavatra rehetra, dia tonga marina koa ny reharehanay teo anatrehan'i Tito ny aminareo. 15Vao mainka nitombo ny fankamamian'i Tito anareo, rehefa tsaroany fa vonon-kanoa ianareo rehetra, sady tamin-tahotra sy hovitra tokoa no nandraisanareo azy. 16Faly aho fa mahazo matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.

will be added

X\