2 Kôrintianina 5

1Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan'olona fa narafitr'Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra. 2Koa misento anatin'ity tranolay ity isika fa maniry mafy hitafy ny tranontsika, dia ilay trano avy any an-danitra; 3satria rehefa itafiantsika izany, dia ho hita ho manana vatana vaovao isika. 4Eny, raha mbola amin'ity tranolay ity isika, dia misento tahaka ny itambesaran'entana. Tsy hoe satrintsika hendahana ity vatana ity fa satrintsika ny hitafy ilay vatana vaovao, mba hatelin'ny fiainana ny mety maty. 5Andriamanitra mihitsy no manomana antsika ho amin'izany fanovana izany, ka nanome antsika ny Fanahiny ho antoky ny soa natokany ho antsika. 6Koa feno toky mandrakariva isika, na dia fantatsika aza fa raha mbola mitoetra ao amin'ity vatana ity isika, dia lavitry ny fonenan'ny Tompo, 7(satria finoana no andehanantsika fa tsy hoe efa mahita sahady). 8Feno toky isika, koa aleontsika ny miala amin'ity vatana ity mba hitoetra eo anilan'ny Tompo. 9Fa ny hankasitrahin'ny Tompo no irîntsika voalohany indrindra, na mbola mitoetra ao amin'ity vatana ity isika na miala ao; 10satria tsy maintsy hiseho eo anatrehan'i Kristy mba hotsarainy isika rehetra, ka handraisan'ny tsirairay avy ny tandrify azy araka izay nataony na tsara na ratsy fony mbola velona tao amin'ity vatana ity. 11Fantatray ny atao hoe fanajana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin'ny fieritreretanareo koa ianareo. 12Tsy hoe midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay hahazoanareo mirehareha ny aminay; ka dia mba hisy havalinareo ny olona mirehareha amin'ny zavatra eto ivelany fa tsy amin'ny zavatra ao am-po. 13Raha marina fa very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra izany; raha mitombin-tsaina izahay, dia ho anareo izany. 14Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra. 15Maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony ireo velona, fa ho an'Ilay efa maty sy nitsangana velona hamonjy azy. 16Ka hatramin'ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan'olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an'i Kristy araka ny fisainan'olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17Raha misy olona tafaray amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18Izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan'ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy; ary efa napetrak'Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany. 20Koa dia iraka solotenan'i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin'ny alalanay. Solotenan'i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin'Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain'Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen'Andriamanitra noho ny firaisana amin'i Kristy.

will be added

X\